4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol2. aminao - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

Sal 103 :1-5 ;17-18)

       «  Misaora an’I Jehovah ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany Masina,

       Misaora an’i Jehovah ry fanahiko, ary aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra … »

  

--------------------------------------------------------------------    



1. Ilay namela ny heloko

Ilay nitsabo ny aretiko

Ilay nanavotra ny aiko

Tsy ho latsaka an-davaka



2. Ilay nanome famindram-po

Ilay nanafy fiantràna koa

Ilay niahy hatry ny taloha

No anaterako saotra mandrakizay



NY HATOKY ANAO, IZAY NO DINA HAJAIKO

NY HITOETRA AMINAO, EZAKA KASAIKO

FA IANAO TOMPO O! NANAVAO INDRAY NY FOKO

TSY NAHAFOY AHY RAHA NISY HADISOAKO



FA NY FAMINDRANAO FO

HATRAMIN’NY TALOHA SY HO MANDRAKIZAY

NY FAHAMARINANAO OMENAO IZAY MANKATO NY FANEKENY



Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

(oct 2005)

Partager vol2. aminao

Commenter vol2. aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite